"Haseho ao amin'ny nofonay mety maty ny fiainan'i Jesosy" (2 Kor 4, 11)


Ampitomboina mandrakariva ho anareo anie ny fitiavan’Andriamanitra Ray sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ary ny fampiraisan’ny Fanahy Masina !

 

 

Ry Havana,

 

Iarahantsika mahalala fa anisan’ny fitaovana tsy azo ihodivirana ny fampiasana ny serasera amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.  Ampiasaintsika koa ny serasera ho entina  hampiroborobona ny fifandraisana sy hampivelarana  ihany koa ny sehatry ny fiangonana.

 

Ankehitriny ary dia manasa antsika rehetra tapaka sy namana, mpiara-mivavaka tsy hisalasala hitsidika ity “tranok’alam-pifandraisana” ity izay atolotry ny fiangonana ampifaliana hiarahatsika hatrany manamafy orina ny Fiderana sy ny Fankalazana an’Andriamanitra eto amin’ny Tafo FPMA Amiens.

 

Hitondra fifaliana sy fahasoavana ho anareo anie izao fitsidihana ny tranonkalan’ny FPMA Amiens izao.

 

                                  « Deraina sy ankalazaina mandrakizay anie,
                      Ny anaran’Andriamanitra Ray sy zanaka ary Fanahy Masina. »

 

 

 

Brigitte ANDRIAMANDIMBIARISOA - filoha tafo Amiens